Sarona ambodiomby niaraka tamin’ny entana nangalariny. Fitaovana fampiasan’ny vehivavy amin’ny fikolokoloana tarehy no nalainy ary sady tsikaritra tamin’ny « vidéosurveillance » no tsikaritry ny mpanara-maso tao anatin’ilay toeram-pivarotana. Ny talata teo no nitrangan’izany tao amin’ny « supermarché » iray tao Analakely. Koa satria tsy niaiky ny nataony ilay vehivavy izay sady tsara fiakanjo no madio, dia voatery nentina teny amin’ny pôlisy misahana iny boriborintany ny raharaha. Tsy maintsy notazonina vonjimaika tao amin’ny « violon » an’ny vehivavy tao Tsaralalàna ilay voarohirohy ho nangalatra. Mitentina manodidina ny iray hetsy ariaryny entana nalainy raha araka ny voalazan’ny mpitory. Omaly dia nentina tao amin’ny fampanoavana izy ary fantatra fa nahazo fahafahana vonjimaika mandra-piandry ny fitsarana azy ao Anosy. Nahatalanjona ny maro ny zava-nitranga, satria tsy nampoizin’ny olona ny hoe hahavita izany ity vehivavy izay sahabo ho 30 taona ity. Matetika ihany no misy ny tranga toa izany noho ny fisian’ny olona tia mandrairay na « cléptomane ». Izy ireny anefa dia matetika ihany koa no efa mivonona ka raha sanatria tratra dia aloany avy hatrany ny vidin’entana nangalariny. Saingy tamin’ity indray mitoraka ity, dia sady tsy nanaiky ny nandoa vola no tsy niaiky ny helony ilay vehivavy. Vitany hatramin’ny niatrika ny mpitsara…
D.R
Analakely : Vehivavy mihaja nangalatra tanaty « supermarché »
Articles qui pourraient vous intéresser