- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversTsiroanomandidy : Miaramila iray nitifi-tena, nipotsaka ny atidohany

Tsiroanomandidy : Miaramila iray nitifi-tena, nipotsaka ny atidohany

Miaramila iray namita iraka tany amin’ny faritry Tsiroanomandidy, no fantatra fa nitifi-tena tamin’ny basiny tao amin’ny efitra natoriany. Maty vokatr’izany ity olona ity. Voalazan’ny vaovao moa fa nipotsaka mihitsy ny atidohany. Ny 8 desambra teo tokony ho tamin’ny 4 ora maraina no niseho ity zavatra ity araka ny loharanom-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana.Tany amin’ny tanàna atao hoe Mahasoa any Belobaka no voalaza fa nisy an’ity tranga ity. Hatramin’izao aloha, tsy fantatra marina ny antony nanaovan’ity miaramila ity izao fihetsika izao. Efa mandeha ny fanadihadiana ataon’ny avy ao amin’ny Kaompania ao Tsiroanomandidy, ka ho hita eo ihany ny tena marina.

Nangonin’I r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici