Manoloana ny firongatry ny aretina hafahafa tsy fanta-pototra any amin’ny distrikan’ Ifanadiana, faritra Vatovavy Fitovinany, dia very fanahy mbola velona ireo ray aman-drenin’ny mpianatra sy ny tompon’andraikitry ny sekoly any an-toerana. Tovovavikely mpianatra eo anelanelan’ny 12 taona ka hatramin’ny 16 taona 19 no nihetsika “ambalavelona” tao amina sekolim-pinoana iray sy ny sekoly ambaratonga faharoa (CEG) any an-toerana (nipoirany). Manao krizy be ireo ankizy izay tratran’ilay aretina, mikiakiaka tsy misy ohatran’izany ary rehefa avy eo dia torana tsy mahatsiaro tena intsony. Fantatra araka ny loharanom-baovao voaray avy any an-toerana, fa tsy mitsaha-tombo ny isan’ireo ankizy mpianatra hetsehin’ity aretina hafahafa ity. Misy amin’ireo ankizy marary no nampakarina any Fianarantsoa hanaraka fitsaboana. Noho ny firongatr’ity trangana aretina tsy fanta-pototra miseho any Ifanadiana dia voatery nampiato ny fampiarana aloha, ka tsy handefa ireo mpianatra hianatra mandra-pahita ny vahaolana ny tompon’andraikitry ny sekoly.
Eric Manitrisa