Lelavola mitentina telo tapitrisa ariary niampy firavaka volamena sy entana sarobidy hafa maro toy ny finday avolenta no lasan’ireo jiolahy fito, ka ny roa tamin’ireo mpandroba nitondra basy poleta, nandritra ny fanafihana mitam-piadiana tamina toeram-pivarotana iray tao Morafeno Marovoay, ny faran’ny herinandro teo, tokony ho tamin’ny 6 ora hariva tany ho any. Araka ny vaovao voaray mbola feno olona nifanaretsaka teo amin’ny manodidina tamin’io ora io, kanefa tsy nanakana an’ireto jiolahy nanao ny asa ratsiny velively izany. Niditra an-keriny tao an-trano avy hatrany ireto jiolany nirongo fitaovam-piadiana. Renim-pianakaviana iray no tratran’izy ireo tao; izay nihorohoro fatratra nanoloana ny vavam-basy. Tsy afa-nanohitra ity farany ka niliba ireo mpanafika. Nahorin’ireo mpandroba avokoa ny vola maty rehetra tao an-tsena nandritra ny indray andro.
Jiolahy iray voasambotra. Rehefa nahazo izay nilainy ireo jiolahy, dia lasa nitsoaka. Raikitra avy hatrany ny fanarahan-dia sy fikarohana ireo olon-dratsy taorian’io. Ny androtr’io ihany dia tra-tehaky ny mpitandro filaminana ny iray tamin’ireo jiolahy. Ny fihetsiny mailomalo no nahafantarana azy, ka rehefa nosavaina ity farany dia mbola hita teny aminy ny: basy poleta iray mbola nisy bala 17, saron-tava roa, fitaovana famakiana trano ary vola sy entana vitsivitsy. Karohina kosa ny namany enina, hoy ny vaovao.
Eric Manitrisa