Raha araka ny didim-pitondràna laharana faha 15222/2013 izay navoakan’ny ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, ao amin’ny andininy voalohany, dia mitovy amin’ny Master 1, izany hoe Bac+4, ny mari-pahaizan’ny ofisie. Torak’izany ihany koa, ny maripahaizan’ny komiseran’ny pôlisy dia mitovy amin’ny M2, Bac + 5. Loharanom-baovao teo anivon’ny pôlisim-pirenena no nanome izany fanamarihana izany niaraka tamin’ny dika mitovin’ilay didim-pitondràna. Nentina nanazava izany fa azon’ny ofisie eo anivon’io vondrona io atao tsara ny manao ny fanadinana ho kaomiseran’ny pôlisy, ka natao omaly ny dingana farany dia ny fanadinana am-bava izany. Nifandimby ireo mpiadina marobe tetsy Anosy, omaly, ary maromaro ihany koa ny mpanadina azy ireo, izay saika ireo manana andraikitra ambony eo anivon’ny ministeran’ny filaminana. Mahakasika ity fifaninana ho kaomisera ity ihany, ny sary izay nivoaka an-gazety Midi Madagasikara omaly, dia tsy tokony nipetraka tamin’io lahatsoratra io, satria tsy nisy nifandraisany mihitsy. Ialanay tsiny indrindra amin’ireo olona izay voarakitra tao anatin’ilay sary. Irariana ny tsy hiverenan’ny olana ara-teknika toa iny intsony, avy aminay.
D.R