- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversMila vonjy sy fandidiana maika : Voan’ny homamiadana any amin’ny atidohany Rtoakely...

Mila vonjy sy fandidiana maika : Voan’ny homamiadana any amin’ny atidohany Rtoakely Meltine

Marary’Miha-mahia andro aman’alina izy, efa tsy mahita ny masony ilany ary manomboka manjavona koa ny masony iray. Kamboty izy ka izahay havany no mandray an-tanana izay hahasalama azy’’, hoy ny havan-dRtoakely Ramanandraisoa Meltine, 37 taona izay monina ao amin’ny Lot II I 69 Ter A Alarobia Amboniloha taminay. Noho ity zatovovavy ity voan’ny homamiadana any amin’ny atidohany dia tokony hotsaboina sy hatao fandidiana maika any ivelany izy, saingy noho i Meltine kamboty ary sahirana ny  fianakaviana, dia hatao eny amin’ny ‘’centre hospitalier de Soavinandriana’’ ihany ny fitsaboana azy. Ahiana mafy ny ainy amin’izao trangan’aretina mahazo  azy izao. Manao antsoavo amin’ireo olona tsara sitrapo rehetra ny fianakaviany mba handrotsaka amin’ny kaonty mvola : 03496 03193 na ny  airtel money: 03319  07783. Mbola misy ihany koa ny kaonty Tahiry amin’ny BOA  dia ny 00009 05060 14500100005 08. Ny soa atao levenam-bola, hoy ny Ntaolo Malagasy izay.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici