Zazavavy vao 11 taona monja no maty nahatelina tsy nahy litchi, afak’omaly, teny Manakambahiny. Raha ny vaovao dia nihinana litchi niaraka tamin’ny namany ity ankizivavy ity. Nisangisangy izy ireo ka teo am-pihomehezana izy no nahatelina tsy nahy ity voankazo ity. Niezaka nitady rano ary nampisotro azy an’io ny namany. Sempotra tsy nahazo aina avy eo, ary teny an-dalana hamonjy mpitsabo no tapitra ny aina.
Eric Manitrisa