Tao anatin’ny roa andro (alarobia sy omaly alakamisy hariva) dia olona fito tsy manan-tsiny no fantatra hatreto fa namoy ny ainy maty an-drano, ka ny nofo mangatsiakan’izy ireo sisa no hitan’ny olona rehefa nitsahatra ny orana. Ny enina tamin’ireo, raha ny vaovao, dia maty vokatry ny fiakaran’ny rano nandritra ny rotsak’orana nikinja ny harivan’ny alarobia teo.
Olona telo namoy ny ainy tetsy Mahavoky Besarety, ka mbola tsy hita hatramin’ny ora nanoratana ny lahatsoratra ny razana iray nentin’ny rano, raha ny loharanom-baovao akaiky ny fianakaviany. Vehivavy iray tokony ho 35 taona eo ho eo ihany koa no maty teny Ampandrana Antsinanana. Nandeha namonjy fodiana tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany alina ity ramatoa ity no tsy maintsy mandalo tetezana tsy misy arofanina ireny. Difotry ny rano anefa io tetezana io ka dia tsy maintsy nandeha anjambany hany ka nivarina tany amin’ny tsy tokony ho naleha, dia nentin’ny rano. Zazavavy kely iray 14 taona natory tao an-trano no namoy ny ainy nianjeran’ny tamboho manana haavo 4 m teny Miandrarivo Ambanidia. Ary olona iray hafa maty vokatry ny fiakaran’ny rano hatrany tetsy Antanandrano. Fa tovovavikely 14 taona maty an-drano niara-nilamano tamin’ny reniny tamina bodo filomanosana iray tetsy Anosizato, ny alarobia tolakandro teo.
Lasibatra foana ny tanàna iva rehefa betsaka rotsak’orana. Tsy ampy ny lakan-drano hivoahan’ny rano, ary maro amin’ireo tatatra no mbola tsy voadio ka tsy afaka mikoriana tsara ny riaka, ka dia ahiana ny hahamafy ny fahavoazan’ny mponina, satria raha ny fanazavana azo avy amin’ny sampandrandraharaha mpamantatra ny toe-trandro mantsy dia mbola hitohy hatramin’ny fiafaran’ity herinandro ity ny orana eto Antananarivo sy saika manerana ny Nosy, ankoatra ny any amin’iny faritra Atsimo sy Atsimo Andrefana iny. Mila mailo ihany koa, araka izany, ireo mponina rehetra mipetraka amin’ny tanàna iva sy ny moron-drano mba hamonjy toerana avo.
Eric Manitrisa