- Publicité -
lundi, juillet 14, 2025
AccueilFaits-DiversItaosy : Tsy mbola hita ireo ankizivavy, tsy mbola niantso ireo jiolahy

Itaosy : Tsy mbola hita ireo ankizivavy, tsy mbola niantso ireo jiolahy

Tsy mbola nisy ny fifandraisana teo amin’ny fianakaviana sy ireo jiolahy izay naka an-keriny ireo zazavavy roa, mpianatry ny CEG etsy Andranonahoatra-Itaosy. Torak’izany ihany koa, tsy mbola hita izay toerana nanafenan’ireo olon-dratsy ireo zaza. Ny mpitandro ny filamiana dia nilaza fa mbola ao anatin’ny fanadihadiana lalina ary mba ho fiarovana ny tsiambaratelon’izany aloha, dia tsy mbola afaka manao serasera momba ity fakàna an-keriny ity. Mbola tsy tomombana aloha hatreto izany ny maha-kidnapping ity tranga izay niseho tetsy Itaosy ity. Manalasala rahateo izany, satria raha tena fakàna an-keriny tokoa dia tsy ho fianakaviana gasy faran’izay tsotra no iharan’izany. Tombatombana avokoa izany aloha hatreto no mandeha. Raha ny trangam-piarahamonina tato ho ato kosa anefa no dinihina, dia tsikaritra fa misy raharaha hafahafa mandeha eto an-dRenivohitra eto. Vao tamin’ny herinandro koa mantsy no nisian’ny olona tao anaty 4X4 iray izay naka an-keriny vehivavy mpianatry ny oniversite tsy miankina etsy amin’ny boriborintany voalohany. Maninona no tovovavy na adolantsento hatrany no alain’ireo jiolahy? An’iza io fiara tsy mataho-dàlana izay entina hanatontosana an’izany io? Ho an’ilay tetsy Antaninarenina, raha araka ny fanazavana tsotsotra nataon’I K., ilay mpianatra niharan’izany, dia lehilahy mihaja avokoa ary be vatana no tompon’antoka tamin’ny fakana azy an-keriny. Raha ny fiheverany, dia ireny mpiambina mpanankarena ireny ireo olona ireo. Ho an’ilay tetsy Itaosy indray, dia mbola notazonin’ny mpanao fanadihadiana ho tsiambaratelo ny fanoritsoritan’ilay zazavavy fahatelo izay tafatsoaka. Raha toa ka misy ifandraisany ireo toe-javatra ireo, dia heverina fa misy mpanankarena miketrika zavatra hafahafa izany ao ambadik’ity fangalarana zazavavy amin’ny andro antoandro ity…

D.R

 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici