- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversAnkazondandy – Manjakandriana : Fiara sprinter nandeha mafy nivarina an-tanimbary, olona 20...

Ankazondandy – Manjakandriana : Fiara sprinter nandeha mafy nivarina an-tanimbary, olona 20 indray naratra

Olona 20 no indray naratra navadiky ny fiara Sprinter ny alarobia teo, tamin’ny lalam-pirenena fahatelo, tao Andranovelona, Kaominina Ankazondandy ao anatin’ny Disitrikan’i Manjakandriana. Raha ny vaovao voaray, dia vokatry ny olana ara-teknika nahazo tampoka ny fiara izay teny am-pandehanana no voalaza fa fototra nahatonga ny fahavoazana. Avy hatrany dia nivarina tany an-tanimbary ilay Sprinter ary potika tsy nisy noraisina. Tsy nisy kosa anefa ny maty fa naratra avokoa ireo mpandeha 20 tao anatiny ary ny efatra tamin’ireo no fantatra fa tena voa mafy mbola miady amin’ny fahafatesana.
Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici