- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversMasindray : Halatra Sprinter, novonoina ny mpamily, tsy hita ny fiara

Masindray : Halatra Sprinter, novonoina ny mpamily, tsy hita ny fiara

Omaly no nahitan’ny olona fatin-dehilahy iray teny amin’ny toerana antsoina hoe Tsiakarana eny amin’ny kaominina Masindray. Rehefa nojerena akaiky ny fandehan-javatra dia fantatra fa mpamily taxi-be iray ity hita faty ity. Nandeha avy hatrany ny fanadihadiana ka tamin’izany no nahalalana fa novonoina ity olona ity. Tsy hita kosa hatramin’izao ny fiara « sprinter » nentiny sy ny mpandray vola niaraka taminy. Amin’izao fotoana izao, olona roa no efa tazonina ao amin’ny biraon’ny zandary eny Masindray, voarohirohy amin’ny famonoana ity mpamily ity. Misy olona hafa ihany koa izay efa fantatra fa toa nandray anjara amin’izao vonoan’olona izao.

Tamin’ny alakamisy lasa teo, nisy olona tonga naka fiara handeha handevina eny amin’ny faritr’i Masindray. Taxi-be 165 no nalaina tamin’izany. Olona enina no tao anaty fiara, vavy sy lahy, hoy ny loharaom-baovao. Tamin’io fotoana io anefa, nilaza fa tsy afaka hiasa ny mpandray vola satria marary. Nandefa mpisolo toerana ny tompon’ny fiara. Nizotra ny dia. Tsy fantatra anefa izay niseho avy eo fa raha ny vaovao voaray, tsy hita ilay fiara, tsy hita ny mpamily sy ny mpandray vola. Toa tratra ihany anefa ny nafenina fa na dia tany an-kabakebatany aza no nanaovana ny famonoana an’ilay mpamily dia nisy olona nahita izany ary voalaza fa sahy hijoro ho vavolom-belona. Etsy andaniny, mandeha ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana mikasika izao vonoan’olona izao.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici