Nanantena ny tsy ho tratra ary nitady volabe ireto vehivavy roa kanjo tsy lasa lavitra dia tratran’ny mpitandro filaminana. Tsy fantatra na efa tetika nomaniny ela izy ity na ahoana fa zazakely iray vao heritaona sy tapany no nalainy tamin’ny fomba feno hafetsena teny amin’ny faritr’Itaosy tamin’ny alarobia faha-9 desambra lasa teo. Tamin’io andro io, tamin’ny 9 ora maraina, tonga nametraka fitoriana teny amin’ny kaomisaria teny Loharanombato Itaosy ny fianakaviana iray nilaza fa nisy naka an-keriny ny zanany mbola kely. Tsy tao an-trano izy ireo fa ny mpanampy no nitaiza ilay zaza ka dia nalain’ireo mpaka an-keriny teny aminy. Avy hatrany moa dia nampandrenesina ny “Brigade Criminelle” etsy Anosy ka nanatona ireo Ray aman-dRenin’ilay zaza nanao ny fanadihadiana rehetra. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa io andro io ihany, nisy niantso tamin’ny alalan’ny nomerao miafina ny ray aman-drenin’ilay zaza. Nilaza ilay niantso nanao feon-dehilahy fa any amin’izy ireo ilay zaza ka mila vola 10 tapitrisa ariary vao averiny ilay zazakely. Ny fitoriana moa efa nipetraka tany amin’ny polisy. Ny alakamisy, faha-10 desambra 2015 dia niantso indray ireo mpaka an-keriny fa eny amin’ny Vatobe eny amin’ny 67Ha no atao ny fifanakalozana. Rehefa tonga teny ireto nantsoina dia nilaza indray ireo olon-dratsy fa eny amin’ny “arrêt Bus” eny Soavimasoandro indray izany no atao, dia avy eo teny Ivandry, farany eny Akorondrano. Farany dia nandefa hafatra tamin’ny finday izy ireo fa eo amin’ny “Arrêt Bus” eny Akorondrano ihany ny fotoana hanomezana ny vola sy hamerenana ilay zaza. Samy tonga teny an-toerana ny roa tonta tamin’ny 9 ora maraina. Vehivavy iray antsoina hoe Nambinina, 22 taona no tonga nanatona azy ka dia noraisim-potsiny. Tamin’ny fanadihadiana an’i Nambinina no nahatratrarana vehivavy iray ihany koa antsoina hoe Vola, 26 taona, izay atidoha mikotrika ity fakana an-keriny ity, izay mpiara-mivavaka amin’ireo ray aman-drenin’ilay zaza eny amin’ny faritra Itaosy iny. Voasambotra io andro io ihany i Vola teny an-tranony teny Ivandry. Rehefa nanontaniana izy ireo ny nanafenany ilay zaza dia nilaza izy ireo fa eny Tanjombato. Nidina teny ny polisy ary dia hita tao amina tranona ramatoa iray izay milaza fa mpitaiza zanak’olona izay miasa amin’ny orinasa eny an-toerana eny ihany. Tamin’ny fanadihadiana azy dia nilaza izy fa i Nambinina no nanatitra ilay zaza teny ary dia nilaza fa zanak’i Vola io fa miasa izy, ary dia amin’ny hariva halainy, saingy tsy tonga ireo mpaka.
r.s.