- Publicité -
lundi, juillet 14, 2025

Tapatapany

# – Ambohidavenona. Lehilahy maty tao anaty tatatra. Lehilahy iray no hita faty tao anaty tatatra teny amin’ny toerana antsoina hoe Ambatolampy fokontany Ambohidavenona. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa manana ireny aretina androbe ireny ity olona ity, ka ankekevitry ny nihetsika izany tamin’io fotoana io. Efa teny an-toerana ny dokotera nizaha ny razana. Ny zandary avy ao Itaosy no manao ny fanadihadiana.

# – Miandrivazo. Taxi-brousse voatafika. Ny faha-11desambra teo, tamin’ny lalam-pirenena faha-35 teo amin’ny PK 235+950, notafiahana jiolahy miisa hatrany amin’ny 20 ny taxi-brousse iray avy aty andrenivohitra ho any Morondava. Notifirin’ireo olon-dratsy ny kodiarana avy ao aoriana ka tsy maintsy nijanona ny fiara. Norobain’ireo jiolahy ny mapndeha 18, ka lasany tamin’izany ny vola, sy zavatra sarobidy hafa. Tokony ho tamin’ny 3 ora maraina no niseho ity fanafihana ity. Ny zandary avy ao Miandrivazo no manao ny fanadihadiana.

# Manakara. Trano 78 tafo kilan’ny afo. Ny zoma faha-11 desambra nisy haitrano niseho tany amin’ny fokontany Lokomby any Manakara. Vokany trano miisa hatrany amin’ny 78 no levon’ny afo. Olona 558 no traboina ka tsy maintsy natoby ao amin’ny tranom-pokolona. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa jiro solitany no nianjera tao amina trano iray ka nihanaka izany ary nifindra tamin’ireo trano hafa manodidina. Sarotra ny nifehy ny afo, ny rivotra nanao ny nataony. Tokony ho tany amin’ny 1 ora maraina no niseho ity loza ity.

nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici