Tovolahy iray 18 taona mamon-drongony sy toaka nanindrona antsy zazavavy tsy ampy taona, ny alin’ny Sabotsy teo, tetsy Ambatobe Nanisana. Raha tsy nahay niala ity ankizivavy ity dia tany amin’ny kibony no nisolifatra ny zava-maranitra, ary faty nihosin-drà noraisin’ny fianakaviany. Niantefa teo amin’ny tanany ny ilay antsy, ka nijininika ny rà. Nokarohina ilay tovolahy nahavanon-doza ka tratra tao an-tranon-drainy. Ireo niharam-boina tonga nampafantatra ny habibiana vitan’ity tovolahy mpihetraketraka ity indray no nahazo rahom-bava sy natao roaka alika. Tampoka teo, nipoitra avy any an-trano indray ilay tovolahy mpamono olona niaraka amin’ny zava-maranitra, ary saika hanindrona antsy fanindroany an’io zazavavy io, nefa nalaky voarain’ny rain’ity farany ny zava-maranitra, raha tsy izany dia nandriaka indray ny rà. Io alina io ihany, nametraka fitoriana momba ity vono olona sy fandratrana niniana natao ity ny rain’ilay zazavavy niaraka amin’ny porofo rehetra.
Gadra lava. Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny mpamono olona ary natolotra ny fitsarana omaly, kanefa tampoka teo nahemotra ny zoma izao indray raharaha, satria hono nametraka fitoriana tampoka amin’ny alàlan’ny fiarovan-tena sadasada ny voatory, nilaza fa niditra an-keriny tao aminy hono ny niharam-boina. Valalanina ireto farany nanoloana izany. Mirehareha ireo fianakaviana miaro mpamono olona fa manana olona ambony miaro azy, ka tsy misy dikany amin’izy ireo izany fitsarana izany fa voavidiny. Raha ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana dia voasaringotra matetika amin’ny heloka mamoafady ary matetika miditra « violon » ity tovolahy mpihetraketraka ity, nefa dia arovan-drainy foana amin’ny ratsy ataony, ka mitombo isan’andro ny fahotana mahafaty vitany. Hatramin’ny renikeliny saika nanaovany fihetsika fahotana mahafaty.
Tany tan-dalàna. Amin’ny anarany tany tan-dalàna dia tsy mikoso-maso mena manoloana ny ramatahora isan-karazany sy famiravirana vola (kolikoly avolenta) ny rain’ilay zaza latsa-drà fa hiady hatramin’ny farany. Ny zoma izao ny ahitana ny tohin’ity raharaha ity. Hiaro ny olona malemy sy ny osa manana ny rariny ve ny fitsarana ?, sa . . . Ny tranga toy izao no mampitroatra ny fitsaram-bahoaka eto amintsika sy mampahazo laka ny tsy maty manota.
Eric Manitrisa