Araka ny efa notaterina teto omaly mikasika ilay fatin-jaza hita tao anaty dabam-pako, dia tsy niandry ela fa ny andron’ny Talata ihany, fotoana nahitana ny razana dia fantatra ny nahavanon-doza. Tsy iza fa ny reniny niteraka azy ihany no nahavita nanapitra ny ain’ity tsy manan-tsiny kely ity; izay marihina fa zanany voalohany.
Vehivavy tokony ho 25taona eo ilay ramatoa, niaraka tamina mpanera iray izy; izay nambarany fa anadahiny nitady asa tamina tokatrano iray tao ambonin’Andranovisy. Voaray niasa izy, saingy efa mailo ihany ny tompon-trano nahita azy toa mahazoazo aina no lehibe vatana ka nanadihady sao bevohoka. Nandà izany ilay vehivavy, saingy rehefa niasa tao an-trano, dia tsikaritr’ilay mpampiasa fa mandoa lava. Niaiky ihany izy fa mitondra vohoka tokoa ary lazainy fa tsy anadahiny akory ilay rangahy niaraka taminy fa vadiny. Tezitra ny mampiasa ka noroahiny avy hatrany izy. Niasa tamina olom-patatra ihany ilay ramatoa ary nilaza fa efa tsy bevohoka intsony.
Tsy nanam-po na inona na inona ny tompon-trano, fa tamin’ny fotoana nanadiovana ny trano sy fandriana handraisana vahiny no nahitana fa feno rà ny fandriana sy ny rindrina, ka nitady olona hafa hanadio azy, ilay vehivavy rahateo efa tsy tao intsony.
Taorian’izay, nanaovana fanadihadiana ilay ramatoa ary niaiky fa naterany irery tao ilay zaza. Vao teraka anefa ity tsy manantsiny, dia nahohokany ary notapenany ny vavany ka maty. Nofonosiny harona “sachet” avy eo ary nariany tao amin’ny fanariam-pako dia nototofany vovoka saribao . Nisy fofona ihany tao an-trano tamin’io, saingy nihevitra ny mampiasa fa fatim-boalavo ka tsy nisy taitra. Ny talata teo moa no nasaina nariana io fako io ka mpitsindroka no nahita ny fatin’ilay zaza. Natolotra ny fitsarana ilay ramatoa ary nidoboka am-ponja avy hatrany.
Andry N.