- Publicité -
mercredi, octobre 1, 2025
AccueilFaits-DiversNosy Be :Fizahantany mamoafady, vazaha iray nosamborina

Nosy Be :Fizahantany mamoafady, vazaha iray nosamborina

Taratany frantsay iray, no fantatra fa nosamborin’ny mpitandro filaminana tany Nosy Be, ny 13 desambra lasa teo. Notondroin’ny fokonolona any an-toerana izy io, fa nanao ireny antsoina hoe “fizahantany mamoafady” ireny. Rehefa nosavain’ny mpitandro filaminana ny tranony tao amin’ny fokontany Marodoka dia nahitana sarina zazavavikely roa miboridana tao anaty fakan-tsariny. Tsy vitan’izany fa nahatrarana fitaovam-pilahiana plastika “sextoys penis”  efatra tao aminy. Araka ny ny loharanom-baovao voaray dia ankizy vavy 12 taona mpianatra kilasy fahadimy ao amin’ny EPP iray any an-toerana no nanaovany ny filan-dratsiny. Efa natolotra ny Fampanoavana any an-toerana ity vazaha ity ary omaly no notanterahina ny famotorana rehetra momba izao raharaha izao.

Nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

7 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici