Ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy, nirefodrefotra ny basy tao an-tanàn’Ambatondrazaka. Nifampitana ny jiolahy sy ny polisy, farany tsy naharesy tosika ireo mpitandro filaminana ny mpangalatra ka vaky tady nandositra. Raikitra ny fifanenjehana ka mpamaky trano roa no voasambotra. Tokony ho tany amin’ny 11 ora alina no niseho ny fandrobana. Voalazan’ny vaovao fa bandy fito nitondra basim-borona roa no saika hangalatra tao amina tranona mpanakarena iray. Nisy nampandre avy hatrany anefa ny polisy tany an-toerana izay tonga ara-potoana. Teo no nisy ny fifampitifirana. Tsy nisy kosa anefa aloha ny naratra tamin’izany.
Saika isan’andro no handrenesana fanafihana sy vaky trano ao an-tanànan’Ambatondrazaka. Tsy milamina mihitsy araka ny loharanom-baovao. Amin’izao fotoana izao, mahamarika ny mponina fa maro loatra ny vahiny mitoby any an-teorana. Fantatra fa misy ireo olona avy any amin’ny faritra hitrandrahana vatosoa no mandeha ao an-tanàna rehefa voaraoka avy any. Mirenireny foana ny ankamaroan’izy ireny ary misy mihitsy aza ireo tsy manana trano hipetrahana akory. Tsy fantatra intsony izay olon-dratsy amin’izany.
Mikasika ilay fanafihana tamin’ny alahady, ny polisy any an-toerana no manao ny fanadihadiana.
Janus