Taorian’ny nanafahan’ny tribonaly azy ireo madiodio sy namerenana azy ireo ny entana nogiazan’ny pôlisy, dia tonga naka izany teny Anosy ireo tompon’entana. Toaka vita malagasy mahatratra 5200 litatra. Tsy nisy afa-tsy 600 litatra anefa sisa no nolazain’ireo mpitandro filaminana fa ao amin’izy ireo fa efa nodorana ny ambiny.
Ny 4 novambra lasa teo no tratran’ny pôlisy miady amin’ny zava-mahadomelina ny rangahy iray niaraka tamin’ny mpamily azy, nitondra toaka vita malagasy marika « Ainganiala », 5200 litatra, teny Andoharanofotsy. Avy hatrany dia nogiazana ny fiara sy ireo toaka gasy ireto. Nampidirina am-ponja vonjimaika taorian’izay ilay rangahy sy ilay mpamily. Ny 13 novambra lasa teo kosa no niakatra fitsaràna ity raharaha ity. Natsahatra anefa ny fanenjahana azy ireo, araka ny didy laharana 2045 tamin’ny 11 desambra, navoakan’ny tribonaly. Afaka madiodio araka izany, Atoa Ramanantoanina Gilbert, voarohirohy ho nitondra toaka gasy tsy ara-dalàna. Mandidy ny hamerenana aminy ireo ny entany ihany koa ny fitsaràna. « Efa azonay ny fiara, hoy izy ireo, fa ilay entana tao anatiny sisa ». Omaly izy ireo no tonga teny Anosy, niaraka tamin’ny vadintany, haka ireto toaka 5200 litatra. Zavatra tsy nampoizin’izy ireo anefa no nitranga, raha ny nambarany. Nanjavona tao ireo entana, ary nambara fa tsy misy afa-tsy 600 litatra sisa no voatazona tao. Nilaza ireo tompon’andraikitra tao fa efa nodorana ny 4000 litatra mahery tamin’ireo toaka voalaza fa tsy ara-dalàna ireo. « Malahelo izahay ny amin’izany zavatra izany. Tsy nisy fampilazàna akory mantsy. Ary ny mahagaga dia talohan’ny andro nitsaràna ity raharaha ity no nanaovan’izy ireo an’izany. Ny 10 novambra, raha ny fanazavana nomeny. Mbola tsy fantatra na meloka na tsia ve izahay dia efa nosimbàna ny entanay ?». Milaza ny hampiakatra ny raharaha araka izany ireto tompon’entana simba ireto ary miantso ny fitondram-panjakana mba hijery akaiky ity raharaha ity. Marihina, hoy hatrany Atoa Ramanantoanina, fa toaka vita malagasy sy manana taratasy ara-dalàna ireto toaka gasy nogiazana ireto. Ary novidiana tamina orinasa iray tao Ambositra, « Ainganiala » izy ireo. Ity farany dia manana fahazoan-dalana avy amin’ny ministera hanamboatra ity vokatra ity, tamin’ny 31 mai 2005. Andrasana araka izany ho tohin’ny raharaha.
m.L