- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohidratrimo : Enin-dahy nanafika tobim-tsolika, lasa ny 60 tapitrisa ariary

Ambohidratrimo : Enin-dahy nanafika tobim-tsolika, lasa ny 60 tapitrisa ariary

Nitrangana fanafihana mitam-piadiana teny amin’iny faritra Ambohidratrimo iny, omaly hariva. Toby fivarotan-tsolika iray indray no lasibatr’ireo olon-dratsy. Lasa tamin’izany ny vola mitentina 12 tapitrisa ariary. Nirefodrefotra ny basy teny an-toerana, tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany hariva teo ho eo. Enin-dahy no isan’ireo jiolahy raha ny filazan’ireo mponina teny an-toerana. Basy kalalch no nentin’izy ireo tamin’izany. Nandeha an-tongotra toy ny olon-drehetra izy ireo nanatona ilay fivarotan-tsolika, hany ka tsy nisy taitra, na ireo mpanjifa na ireo mpiambina. Nony tonga tao anatiny anefa izy ireo vao nampiseho ny maha-jiolahy azy. Tamin’ny fitsoahany vao nandrefotra ny basy teny an-tanany izy ireo, raha ny filazan’ireo mponina hatrany. Lasany tamin’izany io volabe io. Tsiahivina fa vao ny afak’omaly no nisy nanafika ny mpivaro-kena iray, tsy lavitra io toerana io. Efa tonga avy hatrany teny an-toerana ireo mpitandro filaminana. Ary hatramin’ny ora nanoratanay dia nambaran’izy ireo, azo an-tariby, fa mbola eo am-panaovana savahao ny toerana izy ireo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici