Eny Tanjombato i « Remenabila » no mipetraka, izay faritra handalovany anefa dia mahita faisana avokoa amin’ny fanendahana, indrindra fa ny teo amin’ny tsenan’Ambohimanarina teo. Ny alarobia teo no voasambotry ny pôlisy teny an-toerana ity mpanendaka rain-dahiny fantatra amin’ny solon’anarana hoe « remenabila » ity. Fitarainana napetraka tao amin’ny pôlisy no nahafahana nisambotra ity tovolahy vao 18 taona monja ity. Raha ny fampitam-baovao avy amin’iretsy voalohany mantsy dia tadidin’ilay olona voaendaka ny tarehin-dRemenabila . Nidina avy hatrany teny an-toerana ireo mpitandro filaminana ka mbola io tokoa eny, ilay olon-dratsy fa mbola mitady remby hafa. Mbola tratra teny an-tanany, araka ny vaovao hatrany, ny entana vao avy nangalariny tamin’ilay olona. Nambaran’ity mpanendaka ity tamin’ny alalan’ny fanadihadiana natao azy fa vao avy tera-bao ny vadiny ary mifana eny Ambohimanarina, fa eny Tanjombato izy no tena mipetraka. Izay faritra lalovany rehetra anefa dia ataony lasibatra avokoa. Efa io mihitsy mantsy ny « asany » raha ny filazany tamin’ireo mpitandro filaminana. Natolotra ny Fampanoavana omaly ny lehilahy ary nalefa naka saina eny Antanimora aloha, mandram-piandry ny fotoam-pitsarana azy.
m.L