- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkazobe : « Sprinter » nifatratra teny amin’ny tetezana, olona telo namoy...

Ankazobe : « Sprinter » nifatratra teny amin’ny tetezana, olona telo namoy ny ainy

Namono olona indray ny lalam-pirenena faha-4 sy ny fiara « sprinter ». Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina mantsy teo Ankazobe ny sabotsy lasa teo. Taxi-brousse « sprinter » handeha hiakatra no nidona tamin’ny tetezana. Vokany olona telo no indray namoy ny ainy, mpandeha 12 hafa kosa no naratra mafy. Hatreto dia tsy fantatra mazava izay antony nahatonga ny loza. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana dia hoe niala lalana tampoka ilay fiara ary nifatratra teo amin’ilay tetezana. Raha tombanana ny amin’ny fahavoazan’ny fiara, izay tena potika tanteraka, dia nandeha mafy dia mafy ity « taxi-brousse » ity. Heverina ho tratran’ny torimaso fotsy noho ny havizanana ihany koa ny mpamily ka tsy nahavita nanarina ilay fiara intsony. Ary dia izao nidofotra tamin’ny tetezana izao. Avy any Mahajanga handeha hiakatra ity « sprinter » ity izao niharan-doza izao. Mafy dia mafy ny fifandonana. Nisy tamin’ireo mpandeha namoy ny aina aza no mbola nosokirina avy tao anatin’ity fiara ity. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireo nanatri-maso, nitondra ireo naratra tany amin’ny toeram-pitsaboana. Manakaiky tokoa ny fety, manao ny ataony indray ireo mpitatitra amin’ity fandehanana mafy fanenjahana mpandeha ity. Kanefa dia izao no vokany. Efa nisy ny fepetra noraisin’ireo tompon’andraikitra tamin’izany, teo aloha teo. Nohajaina tao anatin’ny andro vitsy anefa izany ary dia izao miverina izao indray. Itony fiara « sprinter » itony ihany koa no mila fandraisana fepetra henjana. Tsy voaisa intsony angamba izay ny loza mahafaty olona vokatr’ireny fiara ireny.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici