#-Lazaina Avaradrano. Lehilahy nisy namono, hita faty. Lehilahy iray manodidina ny 25 taona teo ho eo no hita faty tetsy Lazaina, kaomina Sabotsy Namehana, ny sabotsy lasa teo. Ny fizahana nataon’ireo tompon’andraikitra no nahafantarana fa nisy namono ity rangahy ity. Notontaina tamin’ny biriky mantsy ny lohany ary rapa tanteraka tsy misy ahafantarana azy intsony ny tarehiny. Tsy fantatra ihany koa ny mombamomba azy. Naterina teny amin’ny tranon-patin’ny Hjra moa ny razana, ary efa mandeha ny fanadihadiana.
Nangonin’i m.L


