Trano iray manontolo no indray levon’ny afo. Entam-barotra an-tapitrisany maro kosa no lasa lavenona. Izay no vokatry ny fahamaizana tranombarotra iray, mpamongady enta-madinika teny Besarety, ampitan’ny sampanana mankany Mahavoky, ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy teo. Araka ny re teny an-toerana, dia natao fanahy iniana nodorana mihitsy ity toeram-pivarotana ity. Nambaran’ireo mponina mantsy fa saika nisy nanafika tao an-toerana tamin’io fotoana io. Na dia trano somary efa elaela ihany aza anefa no nisy ity mpamongady ity, mafy dia mafy ny hidiny ka tsy laitran’ireo olon-dratsy. Heverina ho tezitra tamin’izany ireto farany ka naleon’izy ireo nodorana ilay trano. Fantatra mantsy, raha ny voalazan’ny ireo mpamonjy voina, fa tany ambany no niatombohan’ny afo, ary namonjy niakatra haingana dia haingana, namotika ireo entana rehetra tao an-trano, eny fa na dia teo aza ny ora-nikija ny alin’iny. Somary nanano sarotra, araka izany, ny nifehy ny afo. Nanomboka tany amin’ny roa ora maraina tany ho any mantsy izany ary tsy maty tanteraka raha tsy nanodidina ny tamin’ny enina ora maraina . Kamiôben’ireo mpamonjy voina maromaro no tonga teny an-toerana tamin’io fotoana io, niampy ihany ireo pôlisy nifehy ny manodidina. Na izany aza, tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra nandritra ity fahamaizana trano ity. Tsy hita tany nanjavonana intsony moa ireto voalaza fa jiolahy saika hanafika sy nandoro ny trano ireo. Ary efa eny am-pelantanan’ireo mpitandro filaminana ny raharaha.
m.L