- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohijanahary : Valo lahy nirongo basy nanafika tranombarotra

Ambohijanahary : Valo lahy nirongo basy nanafika tranombarotra

Indroa nahita ny maizina ireo mpivarotra tamin’iny faritr’ Ivato sy ny manodidina iny ny sabotsy hariva teo. Taoriana kelin’ilay fanafihana teny Mamory Ivato mantsy, dia ny teny Ambohijanahary indray no lasibatry ny jiolahy  valo nirongo basy. Mpivarotra mpamongady iray teny an-toerana ity niharan’ny fanafihana ity, tokony ho tamin’ny fito ora hariva teo. Basy avy hatrany no niantefa teny amin’ny tampin-kandrin’ireo tompon-trano, hany ka tsy afa-nanohitra ireto farany fa dia nanaiky izay notenenin’ireo olon-dratsy. Lasa tamin’izany ny vola mitentina valo tapitrisa ariary sy fahana finday manodidina ny iray tapitrisa ariary teo ho eo. Raha ny fampitam-baovao ny zandary dia tsy nanapoaka basy akory ireto farany nony nitsoaka. Petara no napoakan-dry zalahy ka nampisahotaka ny olona, nitangorona teo amin’ilay toerana lasibatra, sy nanafenan-dry zalahy ny fitsoahany. Taloha kelin’io fotoana io moa no nitrangan’ilay  fanafihana nahafaty ilay mpiambina tetsy Mamory, hany ka mbola somary taraiky tany ny zandary. Na izany aza niezaka ny namonjy ny teny Ambohijanahary indray ry zareo, saingy efa nadio tanteraka ny rano nitan’ireo jiolahy. Mety ho ilay teny Mamory ihany ve ireo nanafika teny Ambohijanahary ireto ? Azo heverina ihany koa fa mbola ry zalahy no nanao ilay fivarotan-tsolika teny Ambohidratrimo. Efa eo an-dalam-panaovana fanadihadiana sy fikarohana ireo olon-dratsy ny zandary amin’izao. Fantatra ihany koa fa tamin’io sabotsy io ihany, dia nitrangana fanafihan-jiolahy, nirongo basy teny Anosiala Ambohidratrimo. Vola fito hetsy sy firavaka volamena maromaro no lasan’izy ireo tamin’izany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici