Tapitra omaly mitatao vovonana ny “ultimatum” nataon’ireo mpaka an-keriny izay mbola mihazona an’i Arnaud. Hatramin’ny fotoana nanoratana ny vaovao dia mbola tsy nisy ny fandoavana ilay vola 1.500.000 euros notakian’ireo jiolahy ho takalon’ity tovolahy ity, sy ny fialan’ireo GSIS sy ny BC nangatahan’izy ireo ihany koa tsy hiditra amin’ity raharaha ao Toamasina ity.
Alika mpitsongo Dia. Ho fanamafisana ny fikarohana an’i Arnaud taorian’ny tranga famonoana feno habibiana natao tamin’i Annie, ilay zazavavy nalaina an-keriny niaraka taminy ny 23 novambra lasa teo, dia nanafatra ireo alika mpitsongo dia an’ ny zandarimariam-pirenena avy eto Antananarivo mihitsy ny fianakaviany, sy ireo ekipa mpanao fanadiadiana, hanamora ny fitadiavana ny toerana misy azy sy ho fanaporofoana amin’ireo trano savaina ny mety ho fisian’i Arnaud ao na tao, anatiny. Omaly vao mangiran-dratsy no tonga tao Toamasina ireo zandary misahana ireto alika ireto, hanampy ireo namany GSIS sy ny BC izay tsy mbola nandao an’i Toamasina na teo aza ny “fandrahonana” azon’izy ireo.
Lisitry ny frantsay. Efa namoaka lisitra misy anarana maromaro natolony ny fanjakana malagasy sy teo anivon’ny primatiora misahana ny filaminana ankapoben’ny firenena, ny fanjakana frantsay tamin’ny alalan’ny masohivohony eto Antananarivo tamin’ity taona ity. Fanadihadiana manokana nataon’izy ireo noho ny firongatry ny fakana an-keriny teto amintsika nanomboka ny tetezamita mandraka androany. Ny fivoahan’io lisitra io anefa no heverina fa hanamora ny fikarohana ity tambajotra na fakana an-keriny ity, sy mety hanamora ihany koa ny fikarohana sy fahitana an’i Arnaud izay manana ny zom-pirenena frantsay ihany koa, amin’ireo mbola tsy fahitana azy izao.
Tsy hadoa vola? Isan’ny resaka mahatonga fahagagana amin’ny ankamaroan’ny olona ao Toamasina ny fahenoana, fa “tsy handoa” io vola be takian’ireo mpaka an-keriny ny zanany io mihitsy ny ray aman-drenin’ireo ankizy ireo. Raha ny angom-baovao anefa dia manana ny vola handoavana izany ny tenany noho ireo “bizina” maro tamina resaka fanondranana “hazo voarara” nataony efa hatramin’ny taona 2010 nandraka androany. Isan’ny olana amin’ny fifehezana ny raharaha fakana an-keriny ity io feo mandeha io, satria mahatonga “fahatezerana” amin’ireo mpaka an-keriny ka mahatonga ny toe-javatra nitranga nandritra ny famonoana feno habibiana nihatra tamin’ilay ankizivavy farany teo iny.
Raha ny vaovao azo avy amin’ny fianakavin’ilay ankizivavy namoy ny ainy ny alahady alina teo, dia anio alarobia tolakandro ao amin’ny fasam-bahiny ao Toamasina no hanitrihana ny vata mangatsiakany. Ny angom-baovao ihany koa no nahalalana, raha ny vata mangatsiaky no jerena, nijaly tamin’ny lafiny maro, ara-tsakafo na ara-tsaina na ara-torimaso, izy satria hita hatsatra ny vatany, ankoatra ny fampijaliana nihatra taminy izay hita soritra tamin’ny vatany…
Malala Didier