- Publicité -
vendredi, octobre 3, 2025
AccueilFaits-DiversRM3 Toamasina : Noely hifampizarana ho an’ireo miaramila

RM3 Toamasina : Noely hifampizarana ho an’ireo miaramila

Fetin’ny rehetra tsy misy ankanavaka ny fetin’ny krismasy. Nankalaza izany ihany ireo miaramila avy ao amin’ny rezimanta voalohany, faritany miaramila faha-telo tany Toamasina ny alarobia lasa teo. Natomboka tamin’ny vavaka iraisam-pinoana izany, narahana kilalao sy fiarazana vatomamy ho an’ireo zanaka miaramila. Taorian’izay  ny laha-teny nifandimbiasana, nisy ny fisaorana sy fanomezana fahatsiarovana hoan’ ny vadin’ny « chef de corps » sy ireo mpikambana ao amin’ny birao sosialy. Tsy adino ihany koa anefa ny fizarana nofon-kena mitam-pihavanana, ho firavoravoana amin’izao fetin’ny krismasy  sy ny faran’ny taona izao, ho an’ireo fianakaviana tsirairay ao amin’ny sosialy, izay nanomezana harona iray, vilany, akoho matavy, vatomamy ary menaka iray litatra.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici