- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversDigue – Ivato : Lozam-pifamoivoizana, olona telo namoy ny ainy

Digue – Ivato : Lozam-pifamoivoizana, olona telo namoy ny ainy

Zazakely iray, renim-pianakaviana ary vazaha iray no namoy ny ainy noho ny lozam-pifamoivoizana nitranga omaly fotsiny, teny amin’iny lalana « digue » iny, teo Andohatapenaka, sampanana Ambohitrimanjaka ary tany Ivato. Saika voadonan’ny fiara avokoa no nahafaty ireto olona ireo.

Nandriaka ny rà omaly, teny amin’ny lalana « digue » iny, teo Andohatapenaka, ka hatreny Ivato. Lozam-pifamoivoizana tsy latsaky ny telo no nitranga ary samy namoizana ain’olona avokoa omaly. Renim-pianakaviana iray niaraka tamin’ny zanany roalahy no nofaohin’ny fiara teo Andohatapenaka, manoloana indrindra ny kianjan’ny Maki. Maty tsy tra-drano ny iray tamin’ireo zanany, izay vao telo taona monja. Voahitsaky ny kodiaran’ilay fiara nandona. Potika tanteraka ny lohany ary nipotsaka sy noraofina teo amin’ny arabe mihitsy aza ny atidohan’ity zaza ity. Naratra mafy ihany koa ny reniny sy ilay zokiny. Araka ny fantatra, dia saika handeha hiampita arabe izy ireto no nisy fiara nandeha mafy tamin’iny lalana iny. Fiarana orinasa iray saika hisongona ny fiara teo alohany, no ity nifaoka azy telo mianaka ireto, teny amoron’arabe ity. Nanoloana izay tranga mampihoron-koditra izany, tezitra tamin’ny mpamilin’ilay fiara nahavanon-doza ireo nahita, ka efa maro ihany ireo niaka-pofona. Soa ihany fa tonga teny an-toerana ireo mpitandro filaminana nitondra ilay mpamily hatao fanadihadiana. Efa nentina namonjy toeram-pitsaboana ireo naratra, naterina tany amin’ny tranom-paty kosa ilay zaza namoy ny ainy

Fa mbola omaly ary tamin’iny lalana iny ihany, teratany vahiny iray no namoy ny ainy rehefa avy nofaohin’ny fiara ihany koa, teo amin’ny sampanana Ambohitrimanjaka. Handeha hiampita ity vazaha ity no nirafarafa avy any ny fiara, marika « polo ». Tsy voatanan’ny hisitra intsony ity fiara ity ka dia nitrongy ity mpandeha tongotra ity. Voa mafy teo amin’ny lohany ihany ity rangahy ity, ary namoy ny ainy, rehefa tonga tany amin’ny hôpitaly. Teny Ivato indray, mbola omaly ihany, eni-mianaka, renim-pianakaviana niaraka tamin’ny zanany dimy, no notrongisina fiara tsy mataho-dalàna iray, nihazo iny lala-migodana iny. Nandeha mafy ihany koa ity fiara ity, raha ny filazan’ireo nanatri-maso. Somary nibirioka anefa ny familiana ka tsy voaarin’ilay mpamily intsony ary dia niantefa teny amin’izy eni-mianaka ireto. Ilay renim-pianakaviana no tena voa mafy, raha samy naratra kosa izy rehetra. Noho ny hamafin’ny dona nahazo azy, dia namoy ny ainy teny amin’ny toeram-pitsaboana ity ramatoa ity. Tsy misy atahorana kosa ny ain’ireo zanany, raha ny vaovao azo hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici