- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAnjanahary : Moto hita tao an-tatatra, nandositra ny olona nitondra azy

Anjanahary : Moto hita tao an-tatatra, nandositra ny olona nitondra azy

Ny alin’ny talata hifoha alarobia, tokony ho tany amin’ny 3 ora tany ho any, nahita moto iray toa nafenina tao anaty tatatra ireo andrimasom-pokonolona niaraka nanao fisafoana tamin’ny polisy teny amin’ny faritra Anjanahary. Ny marina satria efa manakaiky ny maraina ka an-dalana hody izy ireo no nahita an’ity kodiaran-droa ity. Gaga ireo fokonolona nahita ilay moto toa nafenina ka nijery akaiky. Raha vao nahita izany ny lehialhy iray teo akaikin’ilay kodiaran-droa dia rifatra nandositra avy hatrany. Vao nandigana kely anefa dia nifanehitra tamin’ireo polisy nanaraka avy aoriana. Tsy nijanona ny anao lahy, hoy ny vaovao voaray fa vao mainka nanafaingana ny hazakazaka nataony ary dia tsy hita izay nalehany. Nentina tao amin’ny biaraon’ny polisy ilay moto ary rehefa nojerena ny tao anatiny dia nahitana ny taratasy mikasika an’ilay izy. JOG PRO marika Yamaha 90 cc. Hita tao koa ny anaran’ny tompony miaraka amin’ny adiresiny : Ambohitrapanga Antanetibe. Amin’izao fotoana izoa, dia ao amin’ny biraon’ny polisy eny Anjanahary ilay moto.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici