- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAndilamena : Olona dimy maty nihinana hena omby

Andilamena : Olona dimy maty nihinana hena omby

Olona maro, tsy latsaky ny dimy hoy ny loharanom-baovao, no maty rehefa avy nihinana hena omby novidina teny an-tsena. Tany amin’ny tananan’ Ankanifilora, kaominina Maroadabo any Andilamena no nisehoan’ity fihapoizinana ara-tsakafo ity. Toerana faran’izany ambanivolo io tanana voalaza etsy ambony io. Misy ny toerana fivarotana hena. Dia samy nandeha teny avokoa izay afaka nividy izany. Rehefa nahandro ka nihinana dia nanomboka teo ny loza. Mitangolika marary kibo ilay olona ary tsy mijanona izany. Tsy maharitra ela avy eo, maty ilay olona. Hatramin’izao, tsy fantatra marina ny antony nahatonga ny fihapoizinana. Amin’ny andavan’andro, misy ny famonoana omby avadika ho hena. Tsy fantatra na nisy aretina ny hena namidy tamin’ity indray mitoraka ity na ahoana ? Vao nahare ny vaovao moa ny tompon’andrikitry ny fahasalamana avy ao Andilamena,dia nidina tany an-toerana ny talata lasa teo nijery ifotony ity tranga nitera-doza ity.

Fa ankoatra io nahafatesana olona io, fantatra koa fa nisy fihapoizinana ara-tsakafo tao an-tananan’Andilamena. Tamin’ity tranga ity, voalaza  fa olona maromaro nihinana « composé » no indray narary. Avy hatrany dia nanatona tobim-pahasalamana izy ireo ary dia avotra soa amn-tsara avokoa.

Janus

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici