- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Rasta tratra namboly rongony

Antsirabe : Rasta tratra namboly rongony

Raha vao tamin’ny herinandro lasa teo, no nahatrarana  rangahy iray teny Antsongo tamin’ity resaka fikirakirana rongony ity, dia izao tratra izao indray ny  lehilahy iray monina eny Vatofotsy Mahafaly ; izay namboly rongony fototra maromaro.

Loharanom-baovao avy tamina olona tsara sitrapo hatrany no nahalalan’ny polisy, fa misy lehilahy  mamboly rongony eny Vatofotsy Mahafaly Antsirabe. Taorian’ny fangatahana taratasy fahazoan-dalana hanao fisavana  ny tranony teny amin’ny fitsarana, dia niroso avy hatrany tamin’ny vela-pandrika ny polisy ny alatsinainy alina  teo. Nasiana polisy niafina niandry ilay trano sao misy mitsoaka na hanafina ireo rongony voalaza. Ny talata kosa no niroso tamin’ny fisavana ny polisy.Indreo tokoa fa tratra tao amin’ilay trano ny rongony efa maina, ankoatra izay, mbola nahitana menaka rongony tapaky ny litatra ihany koa tao aminy. Azo lazaina fa efa matihanina amin’ny fikarakarana rongony mihitsy ity Rasta ity; izay mantsy no fahafantaran’ny olona azy eny Mahafaly Vatofotsy eny, hoy ny Kaomisera divizionera Talily Damy, raha ny fahitana azy.Misy fambolena, fototra am-polony maro tao aminy, nisy ihany koa ny efa maina ary menaka izany hoe mety manodina mihitsy izany i Rasta. Nandà izany rehetra izany anefa ranamana tamin’ny fanadihadian’ny polisy raha ny fantatra. Nambarany fa hitsaboany tena amin’ny aretina mahazo azy ireo rongony sy menaka hita tao aminy. Tsy voamarina izany hoy kaomisera, ary voararan’ny lalàna rahateo, ka tsy maintsy hatolotra ny fitsarana i Rasta.

Notsipihan’ny kaomisera hatrany fa azo inoana izao, fa mety ho maro ny fambolena rongony eto Antsirabe eto, ary tsy hikely soroka ny polisy hamongotra azy ireny, satria ireny no fototry ny tsy fandriampahalemana.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici