Mpandeha iray hihazo an’Antananarivo tamina kaoperativa iray manana ny foibeny ao Toanambao V Toamasina, no notafihan’ireo mitam-basy 3 nitondra moto Scooter tsy nisaron-tava, ny talata tokony tamin’ny 5ora sy sasany. Avy any Maroantsetra hihazo ny Renivohitra ity mpandeha voatafika ity. Raha ny angom-baovao dia efa narahan’ireto jiolahy maso ity mpandeha iray ity nandritra ny fahatongavany avy tany Maroantsetra, satria nitondra valizy kely noheverin’ireo jiolahy fa misy vola ny tenany. Raha teo am-piandrasana ny fiondranana ao anatin’ny fiara handehanany ny tenany no tonga ireto jiolahy, avy hatrany dia nomen’ireto jiolahy “coup de tete” ny tenany ka nitsikasina tamin’ny tany. Mbola nofikiriny ihany anefa ilay valizy kely teny aminy, vokatr’ izay dia notifirin’ireo jiolahy izy ka voa teo amin’ny sorony. Lasan’ireto jiolahy ilay valizy kely ary lasa izy ireo nanaraka ny lalam-baovaon’ny lycee teknika ary nihazo ny lalam-pasika miditra ny fokontanin’i Tanamakoa. Tsy lavitra teo anefa nisy polisy nanao fandaminana fifamoivoizana izay tsy afa-nanohitra noho ny fahainganan’ity fanafihana olona ity, sy ny fisian’ny fitohanan’ny lalana. Ny angom-baovao anefa no nahalalana fa antontan-taratasy maromaro ilainy amin’ny dia atao teto Andrenivohitra no tao anatin’ity valizy kely ity. Efa nahazo fitsaboana ity mpandeha voatifitra ity, voatery nihemotra iray andro kosa ny diany ho eto Antananarivo.
Malala Didier