Ny alin’ny alakamisy hifoha ny zoma, lehilahy iray no fantatra fa voatifitry ny polisy avy ao amin’ny UIR, teny amin’ny faritry ny Petite Vitesse Tsaralalana. Voa izy tamin’izay, nefa voalazan’ny vaovao fa mbola tafatsoaka ihany ary tsy hita izay nisy azy. Nisy basy poleta iray latsaka anefa avy tany amin’ity olona ity, basy MAK 50 miaraka amin’ny bala roa. Ny loharanom-baovao no hilazana fa olona ahian’ny mpitandro filaminana ho tompon’ny basy iray tratra tamin’ny fanafihana niseho teny Andoharanofotsy io lehilahy io. Fanafihana, raha tsiahivina fohy, nahafatesana jiolahy telo sy naharatrana mpitandro filaminana iray ary olon-tsotra roa. Efa andro vitsivitsy no nijeren’ny polisy ny zavatra rehetra nataony sy ny fihetsiny. Io alin’ny faha-24 desambra io, efa narahana izy ary saika hosamborina. Tsy nanaiky anefa ny anao lahy, araka ny vaovao fa nandeha ihany. Voatery nampiasa ny fitaovana teny aminy ny mpitandro filaminana, dia izao izy voatifitra izao.
r.s.