Tsy nieren-doza ny krismasy, na dia nolazain’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Hjra aza fa nihena ny isan’ireo niditra hôpitaly tamin’ity taona ity, raha miohatra ny tamin’ny taon-dasa. Niisa dimy ireo olona namoy ny ainy, tamin’ny sasak’alina sy ny andron’ny krismasy teo. Telo tamin’ireo no lozam-pifamoivoizana ary ny iray hafa. Olona valo kosa no tsy nahatsiaro tena vokatry ny hamamoana be loatra.
Raha ny teto an-drenivohitra sy ny manodidina no resahana, azo lazaina fa nizotra tsara ihany fankalazana ny fetin’ny krismasy. Raha ny alakamisy alina lasa teo dia saika tomefy olona somebiseby avokoa teny an-dalana. Hipoka ireo trano fiangonana isan-karazany. Ary toy ireo fety rehetra, hipoka ihany koa ireo trano fisotroana, na lehibe io na ireo eny anelanelan-trano. Torak’izany ihany ny andron’ny omaly. Amin’izay lafiny izay indrindra ary, mbola maro ihany ireo tsy mahay mionona rehefa misotro ity rano mahery ity. Olona valo teo mantsy no voatery nentina haingana tetsy amin’ny Hjra, tsy nahatsiaro tena, noho ny hamamoana be loatra. Fa ankoatra izay dia fantatra fa olona iray no nampidirina hôpitaly ihany koa rehefa nisotra poizina. Avotra soa aman-tsara avokoa izy ireo rehefa nahazo ny fitsaboana sahaza azy.
Raha teo amin’ny resaka lozam-pifamoivoizana, fantatra fa nahatratra telo ireo olona namoy ny ainy. Ny harivan’ny alakamisy lasa teo, teny Ambohimangakely, kamiô iray tapaka hisatra no nifatratra tany amina fiara iray. Tsy vitan’izay anefa fa mbola nifaoka olona niandry « taxi-be » izy ity, talohan’ny nifatrarany tany amin’ny tambohon’olona. Maty tsy tra-drano ireo olona roa voadona, olona iray sy ny mpamilin’ity fiarabe ity kosa, naratra mafy, ka voatery nalefa eny amin’ny toeram-pitsaboana. Torak’izay ihany koa no nitranga teny Ampefiloha ny andron’ny Noely, zazakely iray no maty tsy tra-drano rehefa nipitika avy eny ambony môtô nentin’ireo ray aman-dreniny, ka voarain’ny kodiaran’ny taxi-be nifaoka azy ireo. Raha hatotaly dia nahatratra teo amin’ny 50 mahery teo ireo olona naratra, niditra tao amin’ny Vonjy taitran’ny Hjra raha ny fanazavana azo. Saika adiady madinika avokoa ireo fa ny maro indrindra ny lozam-pifamoivoizana. Izany rehetra izany dia noho ity resaka toaka mirara-kopana ity rehefa fety. Tsy aleo ve asiana fetrany ihany e.
m.L