Miditra amin’ny hafainganam-pandeha mafimafy kokoa ny fikarohana ireo andian’olona mihazona an-keriny an’i Arnaud, ataon’ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana ao Toamasina. Misy anaran’olona dimy izao navoakan’ny tonia mpampanoa lalana ho fantam-bahoaka, izay karohina fatratra noho izy ireo isan’ireo tena atidoha nikotrika ilay fakana an-keriny ireo ankizy mianadahy. Karohina fatratra amin’izao, Ramasy Mickael Georvellien na Ramika, 37 taona nipetraka ao Ankirihiry atsimo P/elle 11/21, izay heverina fa namily ilay fiara Mitsubishi nitondrana ireo ankizy nitsoaka. Eo koa i Boto Fredo na Fredo izay isan’ireo nitam-basy nanao ilay fakana an-keriny, niaraka tamin’i Rajao Fenoarinaivo na Lejo – Massaro – Ramasa, ary i Freddy izay tokony mbola mamita ny sazy mandra-pahafaty azony ao Tsiafahy. Isan’ny tena nokarohina fatratra amin’izao raharaha izao koa ity mpandraharaha ara-toekarena tao Antalaha, Randrianjaka Marcellin, 37 taona, ary manana ny fiara Ford Ranger laharana 2877TAH, saingy efa tratra tamin’ny sabotsy hariva teo tao Barikadimy ny tenany, raha efa narahan’ireo mpitandro ny filaminana maso ny fivezivezeny eran’ny tanàna tao Toamasina taoriana nivoahan’ny anarany. Izy kosa dia isan’ireo atidoha mpanarama ireo mpaka an-keriny.
« Izaho no saika nosamborina ». Mazava ankehitriny fa diso paika ireo mpaka an-keriny azy mianadahy ny 23 novambra io. Araka ny angom-baovao natao dia ny rainy izay mpibizina andramena no nokendrena, izay efa nomanina tao Sambava sy Antananarivo ary Toamasina ny ho fisamborana azy, saingy tamin’ny fanomanana natao rehetra dia tsy teto an-tanindrazana izy fa namonjy fitsarana tany ivelany momba ny resaka fanagejana ny andramenany. Efa voaomana anefa ny tetika rehetra ny 23 novambra io ka natao ihany ka fakana an-keriny tsy fidiny azy mianadahy. “Tsy azo ekena ny fitadiavam-bola amin’ny fanaovana takalon’aina olona izany, tsy maintsy fongorina hatramin’ny fakany io tambajotra mpanao fakana an-keriny io” hoy ny rain’i Arnaud. “Mety manao sorona an-janako aho amin’izany, saingy tsy hilefitra kosa amin’ny fitakiana vola be amiko”, hoy hatrany izy.
Mpalotsain’ny primatiora? Ny angom-baovao hatrany no nahalalana fa misy mpalotsain’ny primatiora izany miray tendro amin’ity tambajotra mpanao fakana an-keriny ity. Manahy, vokatra izany, ny maro fa sao izay no tsy hivoahan’ilay lisitra nataon’ny fanjakana frantsay momba ireo fakana an-keriny, izay niisa 15 tamin’ity taona ity ary ireo terataniny no betsaka. Eo koa anefa ity lisitra 50 pejy misy laharana finday mifaningotra amin’izao fakana an-keriny izao. Manahy anefa ny rain’i Arnaud fa misy mpiray tendro amin’ireo tambajotra ireo ny mpiasa amin’ireo orinasam-pifandraisana ireo, satria rehefa fantatra ny toerana misy ireo olona hosamborina dia votsotra hatrany izany, satria antso finday no ifandraisana, ka nahatonga ny mpitandro ny filaminana nampiasa fomba fifandraisana hafa.
Ankoatra izay dia olona miisa 8 indray no niakatra ilay “cellule” manokan’ny fitsarana misahana ity raharaha Arnaud ity ny sabotsy antoandro teo. Voalaza fa mifaningotra amin’ity raharaha ity izy ireo ka 6 no miandry fitsarana any am-ponja, ao anatin’izany ireo polisy roa lahy. 2 kosa nahazo fahafahana vonjimaika, ka isan’ny nahazo izany ilay mpiasan’ny fonjan’i Toamasina.
Malala Didier