- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAnalamahitsy : Raikitra ny fifampitifirana, naratra ny tompon-trano

Analamahitsy : Raikitra ny fifampitifirana, naratra ny tompon-trano

Nifampitana ny jiolahy sy ny tompon-trano. Ny alin’ny alahady, tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany no nitrangan’izany, tetsy Analamahitsy. Nifampitifitra izy ireo satria miaramila taloha ary nanana basy ny notafihana. Naratra tao anatin’izany io olon-tsotra io, saingy mba tsy voaroban’ireo olon-dratsy kosa ny trano. Nitsoaka mantsy izy ireo rehefa namaly ny tao anatiny. Taorian’izay dia tsy naka lavitra ireo mpanafika fa nizotra tao amin’ny trano iray teo amin’ny manodidina ihany. Raha araka ny fanazavana azo tamin’ny mpitandro ny filaminana dia tokatranon’olona mpanao dabokandro io voaroba io. Lasa tao anatin’izany ny firavaka volamena maro sy ny vola an-tapitrisany, izay tsy voamarina loatra ny totaliny. Nasaina niankohoka tamin’ny tany ireo fianakaviana dia norahonana tamin’ny basy mba hanaraka izay baiko rehetra. Tsy afa-nanoatra dia voatery nanoro izay nisy ny vola sy ny volamena ireo olona. Basy lava sy basy poleta, izany hoe kalachnikov sy PA raha ny fiheverena azy saingy tsy voazava tsara. Rehefa azony izay nalaina dia nandeha tsy taitra niala teo amin’ny toerana ny olon-dratsy. Nandeha ny tsoka kiririoka saingy noho ny tahotra rehefa nisy feom-basy dia namitsaka tsy nisy sahy nivoaka ny teo amin’ny manodidina, mainka aza angamba nanamafy ny hidin-trano. Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fiainana andavan’andron’Antananarivo ny fanafihan-jiolahy. Zary lasa mahazatra ny fahenoana fanafihana sy heloka bevava etsy sy eroa ary toa tsy dia mahataitra firy ny olona intsony ihany koa ny fahafantarana ny fisian’ny fanafihana mitam-basy.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici