Ny alahady maraina lasa teo, vehivavy manodidina ny 40 taona teo ho eo no hita faty tao anaty kirihitra teny amin’iny faritra Ambohilamalaza iny. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ireo mpitandrofilaminana dia efa simba tanteraka ny vatan’ity ramatoa ity. Novinavinaina araka izany fa tokony ho eo amin’ny efatra andro teo ity vehivavy ity no namoy ny ainy. Izay antony mbola tsy fantatra hatreto. Ny vaovao hatrany no nahalalàna fa olona sendra nandalo teo amin’ilay toerana no nandre fofona ratsy, avy ao anaty kirihitr’ala. Rehefa natonina ny niavin’io fofona io, izay vao taitra ireo fokonolona fa vatan’olona efa manomboka ho simba no nitangoronan’ny lalitra. Tonga teny an-toerana avy hatrany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny rehefa nampandrenesina ny fisian’ ity tranga ity. Tamin’ny fizahana nataon’ireo mpitsabo no nahalalàna fa nahenoana fofon-toaka izy ary nahitana mangana ihany koa ny vatany. Nisy namono sa diso mamo loatra ka tratran’ny orana teo ary namoy ny ainy ? Efa mandeha ny famotorana ataon’ireo mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao. Fantatra fa mponina eny an-toerana ihany ity vehivavy ity, ary efa nomena ny havany ny razana.
m.L