- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversBrickaville : Taxi-brousse nifandona, mpandeha maromaro no naratra

Brickaville : Taxi-brousse nifandona, mpandeha maromaro no naratra

Nisehoana lozam-pifamoivoizana indray iny lalam-pirenena faha-2 iny. Omaly antoandro, kilaometatra vitsivitsy tsy hiditra an’i Brickaville, taxi-brousse roa no nifandona. Vokany mpandeha 11 no indray naratra mafy. Tsy nisy kosa ny aina nafoy, raha ny fampitam-baovao azo. Fiara « mazda » iray avy any Manambato no nitrongy taxi-brousse nitondra fianakaviana nizotra niatsinanana. Vokatry ny fandehanana mafy, ka tsy tana intsony ny familiana no nahatonga ity loza mahatsiravina ity. Fito tamin’ireo mpandeha naratra no tena voa mafy ka anisan’izany ireo mpamily roa lahy, izay samy tapa-tongotra avokoa. Nifamonjena nentina tao amin’ny hôpitalin’i Brickaville avokoa moa ireto olona naratra ireto. Efa eny am-pelan-tanan’ireo mpitandro filaminana any an-toerana kosa ny raharaha.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici