- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAmbositra : Mpamaky trano matin’ny fitsaram-bahoaka

Ambositra : Mpamaky trano matin’ny fitsaram-bahoaka

Lehilahy iray sahabo ho 55 taona izay voalaza ho mpamaky trano, no nanamparan’ny olona hatezerany, ka matin’ny fitsaram-bahoaka tao Ambalamanakana, Distrikan’Ambositra, ny alakamisy lasa teo. Tsy namelan’ny fokonolona mihitsy raha tsy tapitra ny ainy, satria malaza ratsy amin’ny halatra, ary tsy mety fay amin’ny asa ratsiny ity rangahy gadralava ity. Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana, dia nahazo vahana ny vaky trano sy ny hala-botry tao amin’ity tanàna ity. Tokantrano iray no nisy namaky tamin’io alakamisy io. Niara-nientana avy hatrany ny mpiray tanàna leom-boan’anana nanao ny fikarohana, ka ity lehilahy ity no voapaingotra. Tsy nisy niantra azy ny rehetra, fa samy nanampatra ny hatezerany namono sy nidaroka azy avokoa, ka nitarika ny fahafatesany.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici