- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Tovovavy 15 taona rotika lanin’ny voay

Toliara : Tovovavy 15 taona rotika lanin’ny voay

VOAY-1Tovovavy vao 15 taona monja no lanin’ny voay afak’omaly tolakandro tao Mahazoarivo Betanatanana. Rotika mihitsy ny ranjo tongotra havian’ity tovovavy ity, ka tsy maintsy hotapahina. Nalaky tonga’ny fianakaviany teny amin’ny hopitaly, ny niharam-boina ary nahazo fitsaboana sahaza azy haingana ka tsy misy ahiana ny toe-pahasalamany, na dia teo aza ny fahaverezan-drà be, hoy ny mpitsabo. Raha ny fanampim-baovao dia niampita rano ity tovovavy ity no narapaky ny voay. Namonjy azy haingana ireo olona niara-dia taminy fa raha tsy izany dia nataon’ny voay telimoka izy. Amin’izao fotoam-pahavaratra izao dia masiaka ny voay ka mila mitandrina ny rehetra. Misy amin’ireto biby miakatra an-tanàna mihitsy mitady sakafo noho ny fiakaran’ny renirano. Aiza ny hombana, fa very fanahy mbola velona ny vahoaka amin’iny tapany Atsimon’ny Nosy iny, satria na an-tany maina na an-drano samy misy fahavalo avokoa.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici