Nahazo vahana tao Toamasina tao anatin’ny tetezamita, indrindra nanomboka ny taona 2012 ny fakana an-keriny, raha ny fanafihana mitam-piadiana no tena nisy talohan’izay. Ireo olona ifampitadiavana ankehitriny ireo koa isan’izany ingahy Fredo sy Freddy, dia an’isan’ireo efa nifampitadiavana tao anatin’ireo fakana an-keriny tao Toamasina ireo.
Tamin’ireo fakana an-keriny fito tao anatin’ny telo taona Toamasina ireo, dia voatonontonona sy mifandray tendro tamin’ireo jiolahy hatrany ny miaramila sy ny mpitandro ny filaminana araka ny fanadihadiana mandeha eo anivon’ny fitsarana. Voalohany nahavoatonona miaramila izao, dia ilay niseho roa taona lasa, tao Morafeno nandritra ny fampiarahana nataon’ireto mpifankatia zanaka metisy sinoa mpanam-bola sy mpandraharaha ao Toamasina, ka ny lahy zanaky Wu Chao Ying fa ny vavy zanaky Rakoto Jean Paul. Nitaky vola 300.000 euros ireto mpaka an-keriny tamin’izay ho takalon’ny ain’izy roa izay votsotra ihany taorian’ny fandoavana ny vola notakian’ireo mpaka an-keriny. Ny zava-nisy faharoa nahavoatonona zandary kosa, dia ilay fakana an-keriny ilay avy naka vola hividianana jirofo tamina banky iray tao Toamasina teo amoron-dranomasina. Ny ekipan’ny Gsis Antananarivo no voasambotra am-bodiomby tamin’ity raharaha ity tao Moramanga, raha efa naraha-maso avy tao Toamasina nihazo ny lalam-pirenena faha-2. Tratra niaraka tamin’ireo Gsis dimy lahy tamin’izay, ny vola 150 tapitrisa ariary sy ilay lehilahy mifatotra tao aorian’ilay fiara nitondrana azy. Ny fihoaram-pefy fahatelo nahavoharohirohy mpitandro ny filaminana kosa, ny polisim-pirenena, dia ity tranga na fakana an-keriny itadiavana an’i Arnaud ao Toamasina ity. Polisy roa no voasambotra sy efa miandry fitsarana am-ponja vokatra izany, raha niakatra fitsarana ny sabotsy teo niaraka tamin’ireo olona enina ka roa nahazo fahafahana vonjy maika, isan’izany ilay mpiasan’ny fonja Toamasina.
Raha mikasika ny raharaha fikarohana an’i Arnaud kosa, dia miroso ny fanadiadiana ilay mpandraharaha avy any Antalaha tratra tao Barikadimy Toamasina, raha tsy nanam-po na inona inona fa isany ifampitadiavana ny tenany momba ilay raharaha fakana an-keriny. Ny angom-baovao hatrany no nahafantarana fa, betsaka ny vaovao azon’ny mpanao fanadihadiana aminy, izay heverina fa hanokatra olona karohina hafa manaraka indray tsy ho ela. Nisy olona iray antsoina hoe David ihany koa niara-voasambotra taminy, tamin’io asabotsy hariva nahatrarana azy tao Barikadimy io.
Malala Didier