Azo an-tsary ny tenany nanao heloka mamoafady tamin’ny zazavavy 15 taona. Raha ny fantatra dia zaza natsangany izy io efa ho dimy taona lasa izay. Taorian’izay dia nanambady ramatoa efa niteraka roa indray izy. Dia mbola nanaovany toetra mamoafady ihany koa ny zanak’io ramatoa io vavy izay mbola latsaky ny 15 taona koa. Mody mitsabo ireo zaza sy mitsapa tosidrà ilay teratany frantsay kanefa efa zavatra hafa no nataony. Indray alina aza dia saron’ny iray tamin’ireo zaza teo am-panaovana izay nataony ity vahiny ity. Saingy norahonany ireo zaza ny tsy hiteny izany. Ny niafarany dia vaky vava nilaza ny zava-nitranga tamin-dreniny (teratany malagasy) ihany ny zaza. Nanomboka teo amin’izay ny disadisa; izay niafara tamin’ny fitoriana. Nampanantsoina ihany koa ny renin’ilay zaza iray natsangana ary mbola sahin’ity vahiny ihany ny nandrahona azy fa hotoriany any amin’ny ambasady hono raha manelingelina ny fiainany avy amin’ny fametrahana fitoriana. Rehefa tonga teny anivon’ny pôlisy ka nandeha ara-dalàna ny fanadihadiana, dia niaiky ny zavatra nataony ihany ilay vazaha. Fanaovana heloka mamoafady sy fanaovan’ny ray sy zanaka heloka mamoafady no niampangana azy. Nitarika ny fidirany am-ponja teny Antanimora izany rehefa tonga teny amin’ny fampanoavana. Fantatra fa 73 taona ity lehilahy teratany frantsay ity. Tsy vitsy ny vahiny no tonga eto amintsika mba hanao fanararaotana ara-nofo fotsiny, indrindra ireo efa zokinjokiny izay matetika efa retirety avy any aminy any. Mahantra loatra koa ny firenena, hany ka maro ireo zaza no mora fitahina amin’ny vola sy ny fampanantenana poakaty ny hoe ho any an-dafy. Tsy vitsy koa anefa ny ray aman-dreny izay lasa mivaro-jaza amin’ny endrika samihafa. Izany rehetra izany dia lasa mahatonga ny Nosy ho paradisan’ny filàna ara-nofo na “paradis sexuel”. Antony izay mahatonga ny mpizaha tany sasany eto amintsika. Marina fa mety mampidi-bola izany ara-ekonomika, kanefa kosa mamotika tanteraka ny firenena sy ny zanaka amam-para ny endrika mamoafady, indrindra fa amin’ny zaza tsy ampy taona…
D.R