- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversLycée Brickaville : Very ireo “tablettes” 50 ho an’ny mpampianatra

Lycée Brickaville : Very ireo “tablettes” 50 ho an’ny mpampianatra

Vao nanomboka ny taona dia ny fahavakisan’ny lycée tao Brickaville no nitanty ny lehiben’ny Cisco ao amin’io tanàna io sy ny provizera lefitra mpisolo toerana tao an-toerana. Voalaza fa ny efitrano misy ireo solosaina fianaran’ny mpianatra nametrahana ireo “tablettes” miisa 50 hozaraina amin’ireo mpanabe, araka ny fandaraharan’asan’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Tsy nisy very anefa ireo solosaina tao anatin’ity efitrano ity, izay tsy fantatra marina ny tena isany, fa ireo “tablettes” ihany no nisy nangalatra tao. Raha ny fanazavan’ny talen’ny fampianarana amin’ny faritra Atsinanana (DREN), dia indroa miantoana ny fahaverezan’ireto “tablettes” ireto. Ny 4 no very talohan’ny fetin’ny krismasy, ireo 46 ambiny kosa very ny zoma 1 janoary 2016 teo. Voalaza fa mamo noho ny fety dia tafatory tsy nahare na inona na inona ny mpiambina an’ity lycée ao Brickaville ity tamin’ny fotoana nitrangan’ny halatra, ka mora tamin’ireo mpangalatra no niditra ilay efitrano nisy ilay “tablettes”. Raha ny vaovao teo anivon’ny zandary misahana ny raharaha kosa, dia nambaran’izy ireo fa tsy hita loatra ny maha-halatra ity tranga ity satria tsy nahitana faritra tena nopitsohana ilay varavarana miditra ilay efitrano. Manahy ireto mpitandro ny filaminana manao ny fanadihadiana fa nosokafana mihitsy ny efitrano nisy ireo fitaovana ireo, saingy eo am-panaovana ny fanadihadiana lalina mikasika izany izy ireo. Isan’ny miatrika izany ilay mpiambina mamo sy ny provizera lefitra misolo toerana. Noezahina nantsoina tamin’ny findainy ny lehiben’ny CISCO ao Brickaville fa tsy mamaly antso. Ny provisera lefitra misolo toerana noho ny tena provizera lasa nisotro ronono kosa tsy azo amin’ny findainy mihitsy raha noezahina nanontaniana ity halatra tao amin’ny lycée tantanany ity.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

4 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici