Nisahotaka ny rehetra raha nahare fa nisy nangalatra ny razana efa nilevina tao am-pasana, ny voalohan’ny taona teo .Nahoraka vetivety ny tao an-tanana fa fatin-jaza iray nilevina tao anatin’ireny dongon-tany ireny no nalain’ity raim-pianakaviana iray ,izany hoe nangadiany an-tsokosoko ilay fasana ary razana mbola mifono lamba izay manomboka efa ho simba sy ho vovoka no tao .Niezaka nampandre ny mpitandro ny filaminana ny fokonolona ka dia sarona ity raim-pianakaviana ity .Araka ny loharanom-baovao voaray dia nanambara ity raim-pianakaviana ity fa zanany io zaza io ka saika halainy. Ny fokonolona sy ny manodidina anefa nanambara fa tsy zanany io zaza io fa razana saika hangalariny fotsiny .Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha amin’izao fotoana ary efa nampidirina am-ponja vonjimaika ilay rangahy miandry ny fitsarana azy sy ahafantarana ny tena marina. Miteraka resabe eo anivon’ny fokonolona ao Andilanatoby Ambatondrazaka io tranga io ,izay toerana nitrangan’ilay halatra faty. Samy manombatombana ny rehetra hoe ,saika hatao inona io razana io ,sa misy olona mividy indray any? Raha nalaza ny halatra taolam-paty teo aloha taty Alaotra dia somary lefy izany ankehitriny, ary izao indray vovo-paty sy razana no misy mangalatra. hatao inona?
Janus R