Izy irery no tao an-tokantranony satria lasa nanao “vacances” ny vady aman-janany. Notafihan’ny jiolahy tao an-tranony ny tale iray eo anivon’ny sampandraharaha mpikarakara fanatanjahan-tena ny alin’ny talata lasa teo. Naratra mafy izy vokatr’izany ary lasa ihany koa ny vola sy ny firavaka tao an-trano. Tsy namelan’ireo olon-dratsy raha tsy azony, nandritra ity fanafihana ity ny finday fampiasan’io rangahy io. Misesy hatrany ny asaratsy eto an-drenivohitra…
D.R.