- Publicité -
jeudi, juin 5, 2025
AccueilFaits-DiversMausolé : Tovovavy 17 taona naolana roalahy mpiara-mianatra taminy taloha

Mausolé : Tovovavy 17 taona naolana roalahy mpiara-mianatra taminy taloha

Tovovavy iray 17 taona monina manodidina an’ Antanimora no naolana roalahy mpiara-mianatra taminy taloha teny Mausolé, ny asabotsy hariva teo, tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany. Sipan’ity tovovavy ity teo aloha ny iray tamin’ireo voalaza fa nanolana azy. Tamin’io fotoana io, raha ny fanazavana azo dia nifanena tampoka teny amin’ny faritry Mausolé ireto mpiara-mianatra taloha. Minitra vitsy taorian’io, niantso ny havany tamin’ny finday ity tovovavy ity, ary nilaza fa nisy nanolana. Nandeha haingana teny amin’ny toerana voalaza fa nitrangana ny fanolanana ny fianakavian-drazazavavy. Tovolahy iray 15 taona notondroiny fa nanolana azy voasambotra ary nentina teny amin’ny mpitandro filaminana. Rehefa nofotorana ilay tovolahy dia nandà ny fiampangana azy, nilaza fa ilay tovovavy no niantso azy, ary niresaka tsotra toy ny mpinamana rehetra izahay.

Sipa maditra. Gaga ny rehetra, hatramin’ny mpitandro filaminana nandray an-tànana ny raharaha, fa tonga dia nitaky vola efatra hetsy ariary tamin’ny renin’ilay tovolahy notondroiny fa nanolana ny zanany ny rain’ilay tovovavy. Tsy resy lahatra ihany koa ny mpanao famotorana fa nivadibadika be ny valin-tenin’ilay tovovavy, rehefa nohadihadiana lalina izy. Noho izany, navosotra ary nalefa nody ilay tovolahy. Raha ny loharanom-baovao dia tsy vao sambany ny ray aman-drenin’ity zazavavy (sipa maditra) ity no mitory olona manan-katao, ary milaza hatrany fa nisy nanolana ity zanany. Misy ireo matahotra ny higadra ka manome ny vola takian’izy ireo. Afak’omaly io anefa vaky ambatolampy ny paika rehetra amin’ity bizina rapida hafahafa ity. Hitory ny ray aman-drenin’ilay tovolahy nosoram-potaka noho ny fanalam-baraka azy ireo.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici