- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Jiolahy telo mpanao fanafihana mitam-piadiana, voasambotry ny polisy

Toliara : Jiolahy telo mpanao fanafihana mitam-piadiana, voasambotry ny polisy

Jiolahy telo mpanao fanafihana mitam-piadiana malaza ratsy amin’ny sinto-mahery sy fandrobana no voasambotry ny polisy, afak’ omaly, tany Toliara. Avy nanendaka vazaha teny amoron-driaka izy ireo no nifanehitra tamin’ny polisy nanao fisafoana ka noraisim-potsiny. Raha ny nambaran’ny kaomisera Randriamahasoa Pascal, dia vao avy nivoaka ny fonja ny volana desambra lasa teo ny iray amin’ireto jiolahy tra-tehaka, nefa izao tratra mamerin-keloka izao sahady. Tamin’ny fiandohan’ity taona ity no mankaty, dia olona maro no efa nametraka fitoriana lasibatr’izy telolahy ireto, ka anisan’izany ireo mpifankatia voaroba firavaka sy ny finday tao amin’ny “Jardin de la mer”, ny asabotsy teo. Fantatry ny voaroba ny iray tamin’ireo jiolahy ka nanamora ny fisamborana azy.

Ambanan’ireto jiolahy basy hatrany ireo lasibany ka tsy afa-mihetsika sy miantso vonjy. Raha ny fanampim-baovao dia mbola karohina kosa ny naman’ireto telolahy tratra sy ny basy fampiasany. Hatolotra ny fitsarana tsy ho ela ireo olon-dratsy aorian’ny fanadihadiana. Vonona ny mpitandro filaminana hiaro ny vahoaka sy ny fananany ary hamongotra ireo mpanao ratsy. Zava-dehibe ahitam-bokatra haingana, hoy ny kaomisera Randriamahasoa Pascal, namarana ny fanazavany, ny fiaraha-mientan’ny rehetra.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici