Omaly alatsinainy, dahalo miisa hatrany amin’ny 40 lahy no fantatra fa tonga nanafika ny tanana iray antsoina hoe Soanafindra any Miandrivazo. Tokony ho tamin’ny 10 ora no nanao be fiavy ry zalahy ireo. Efa leon’ny fanafihana saika isan’andro ny mponina tany an-toerana ka vao nahita ny natongavan’ireo olon-dratsy dia niantso ny zandary avy any Dabolava. Tsy niandry ela fa tonga vetivety ireo mpitandro filaminana. Raikitra ny fifandonana ka fantatra taorian’izany fa nisy tamin’ireo jiolahy no naratra. Tsy naharesy tosika ny zandary ry zalahy ka vaky tady nandositra. Voalaza fa tsy mbola nahazo na inona na inona izy ireo. Voa niandoha ny taona dia in-telo no efa voatafika io toerana io. Tamin’ny fanafihana voalohany dia nisy ankizy iray maty tao anatin’ny fifampitifirana, hoy ny vaovao avy any an-toerana. Mandry tsy lavo loha ny mponina amin’izao fotoana izao. Tsy io tanàna io ihany no lasibatra fa saika isan’andro, no naharenesana fanafihan-dahalo any amin’iny faritra iny.
Anastase