- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversRN1- RN2- RN4 : Mirongatra ny fanafihana taxi-brousse

RN1- RN2- RN4 : Mirongatra ny fanafihana taxi-brousse

Miverina indray ny fanakanan-dàlana amin’ireo lalam-pirenena sy ireo làlana mifandray amin’izany. Tamin’iny làlam-pirenena faharoa iny, eo anelanelan’ny Brickaville sy Toamasina, taxi-brousse iray no lasibatra. Jiolahy maromaro nirongo fitaovam-piadiana no nanakana ity fiara handeha hizotra ho any Atsinanana ity. Tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra, na izany aza anefa, lasan’izy ireo avokoa ny entana sy ireo zavatra sarobidy ary, ny vola tany amin’ireo mpandeha. Torak’izany ihany koa tamin’iny làlam-pirenena fahefatra iny. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana, mbola ny herinandro lasa teo hatrany, olon-dratsy teo amin’ny folo teo, no hitan’ny fokonolona nametraka vato malao maromaro teo amin’ny tetezan’i Kelimilotra, akaikin’i Maevatanana. Tsy nitazam-potsiny anefa ireto nahita fa avy hatrany dia nanenjika ireo jiolahy nametraka ireo sakana ireo. Rifatra nitsoaka izy ireo rehefa nanatona ireo olona. Fa mbola tamin’iny mianavaratra iny hatrany, anelanelan’Amboromalandy sy sampanana Mandrosoa, mihazo an’i Marovoay, taxibrousse roa, an’ny kaoperativa mampitohy an’Antananarivo sy ny renivohitr’i Boina no lasibatr’ireo olon-dratsy ihany koa, ny herinandro lasa teo ihany. Novahan’ireo olon-dratsy ny labasy nisy ny entan’ireo mpandeha. Asa raha nisy nahatsikaritra izany ka tsy nahantateraka ny asa ratsiny izy ireo, tamin’ilay fiara voalohany. Entana sasantsany kosa no lasan’izy ireo tamin’ilay fiara faharoa. Tsy naninona ireo mpandeha raha ny vaovao avy amin’ireo mpitandro filaminana hatrany. Ny rehetra ihany koa angamba samy nahatadidy ny trangana fanafihana fiara, tamin’iny làlana miakandrefana iny indray, tetsy Miarinarivo, ny zoma lasa teo. Ambonin’iny volabe azon-dry zalahy, dia olona roa no namoy ny ainy, iray hafa naratra mafy. Raha efa nilamindamin-dratsy tokoa ity resaka fanankanan-dàlana ity tamin’iny taona nivalona iny, dia izao miha mahazo vahana izao indray. Mampanontany tena ny maro ihany toe-javatra toa izao, mihagoragora ve ny fiarovana ireo làlam-pirenena eto amintsika, sa variana manao inona ireo mpitandro filaminana eny amin’ireny faritra ireny ?

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici