- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAnalamahitsy : Rava ny tambazotra mpangalatra moto

Analamahitsy : Rava ny tambazotra mpangalatra moto

Telolahy no voasambotry ny polisy vao maraina be, teny Analamahitsy tamin’ny herinandro lasa teo mikasika ny halatra moto. Rehefa nosavaina ny trano nahatrarana azy ireo dia mbola nahita moto telo tsy misy taratasy, fanalahidy marobe sy kojakojana moto hafa. Izany dia vokatry ny fanangonam-baovao tetsy sy teroa nataon’ny mpitandro filaminana. Maro dia maro mantsy ny fitarainana tonga tany amin-dry zareo mikasika ity halatra kodiaran-droa ity. Efa tena zadraharaha tokoa izy ireo sady kinga tokoa ry zalahy ireto. Rehefa nandeha ny famotorana azy ireo dia fantatra tamin’izany ny fomba fiasany. Ny moto Scooter Jog 90 no tena angalarin’izy ireo satria nolazainy fa mitovy avokoa ny lakile famoahana an’izany. Rehefa hanao ny asa ratsiny ry zalahy dia voalazan’ny vaovao fa mitondra moto roa. Arahany izay moto hangalariny. Rehefa mijanona amin’ny toerana iray ny tompony, dia misy ny manaraka izay alehan’ny tompony, ireo hafa kosa miezaka mamaha ilay kodiaran-droa amin’ny lakile any aminy. Amin’io fotoana io, manao “casque” ireo maka ilay moto ka tsy dia miahiahy loatra ny olona sady tsy mahita ny tarehany rahateo. Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa rehefa azony ilay moto dia vetivety ihany no hanovany ny lokony, soloiny koa ny motera. Rehefa izany dia amidiny mitokana ny moteran’ilay avy nangalariny. Faritra maromaro eto Andrenivohitra no hanaovan-dry zalahy izany halatra izany : Analamahitsy, Ampasapito, Ivandry sy Amboditsiry.

nangonin’I r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici