Teratany frantsay iray no nidoboka am-ponja teto Antsirabe, vokatry ny fandrahonana nataony tamina Malagasy. Efa ela ihany ihany ity vazaha ity no nonina teto Antsirabe raha ny fantatra, ary tsy vao sambany akory izy no nahita olana tamin’ny mpiara-belona sy ny manodidina azy. Ny sehatry ny fandrahoana sakafo no asany;manodidina ny 36 taona teo ny lehilahy. Voalaza fa matetika izy no mifamaly amin’ny mpifanila vodirindrina aminy. Vokatr’izay indrindra nandrahona sy nanao vava be tamin’ireo izy, tamin’ny alalan’ny antso an-telefaona. Ho fiarovan-tena sy ny ratsy mety hateraky ny vava nataon’ity vazaha ity, dia nametraka fitoriana teny amin’ny mpitandro filaminana ilay Malagasy. Niakatra fitsarana ny raharaha ary dia izao niafara tamin’ny fampidirana am-ponja azy vonjimaika izao.
Andry N.